Friday, March 26, 2010

Malala et Nary du groupe Zay - les ambassadeurs du EARTH HOUR/ Une heure pour la terre à Madagascar



I Malala sy Nary, ao amin'ny Tarika Zay, no nangatahan'ny WWF ho Masoivoho, hanentana amin'ny hetsika rehetra tafiditra amin'ny ady atao amin'ny fikorontanan'ny toetrandro.

Nanaiky am-panetretena izy mianadahy.

I Malala rahateo koa moa dia mpikambana tao amin'ny Club Vintsy.

Teny tsotra no atolotry Malala ho antsika anio...

Tena mafana ny andro! Ny tsikaritra anefa aloha

Miha-miakatra ny maripana Tsy ny eto amintsika ihany

Manakaiky ve ny masoandro Fa na ny any am-pita koa

No ambony toy izao ny hafanana? Dia miha-mafana toy izany

Sa kosa misy antony hafa? Fa dia maninona tokoa?

Soa fa misy ireo mpandinika

Manome fanazavana

Mitombo ny fiara be, madinika

Trano maro midondona

Ny orinasa mihahenika

Mampiasa jiro; mampafana!

Dia mientona ny Tany

Miha-maloto izao ny rivotra

Ny loza mety aterikizany

Tsy tambo isaina, mampifarirotra!

Njao misy feo miantso anao!

Ndao hamonjy ity Tany!

Satria ny hoaviko sy ny hoavinao

Ny voakasika aminizany

Adiny Iray monja fotsiny

Hetsika maneho fitiavana

Fifehezan-tena miombona

Ho an'ny rehetra tsy ankanavaka

Ora Iray ho ahy sy ho anao!

Ora Iray ho antsika!

Ho anireo taranakao

Ho Tany lova soa tsy ritra!

Titre discuter autre proposition

ORA IRAY HO ANTSIKA

ORA IRAY HO ANNY TANY

HETSIKA IOMBONANA

Malala

No comments:

Post a Comment