Thursday, March 18, 2010

Azo atrehina ny fikorontanan'ny toetrandro !

Firenena maherin'ny 100 amin'izao fotoana izao no efa fantatra fa handray anjara amin'ny "Earth Hour" na ny "Adiny Iray ho an'ny Tany", izany hoe tànana maherin'ny 5000. Isan'izany isika eto Madagasikara. Inona no ho atao ? Hiombona hetsika amin'ny olona an-jato tapitrisany isika hanidy ny jiro ny asabotsy 27 marsa 2010 manomboka amin'ny 8 ora sy sasany ka hatramin'ny 9 ora sy sasany alina.
Hilaza ianao hoe "F'inona izany, ny aty efa tapaka lava ny jironay"...Marina izany, ary mbola eo ny fiarovana amin'ny asan-jiolahy !
Fihetsika tsotra maro no azo atao. Ohatra :
- Ahenao ny isan'ny jiro mirehitra ao an-trano mandritra io ora iray io, saingy tsinjovy hatrany ny fiarovana ny tranonao.
Azo atao koa anefa ny mizatra amin'na fihetsika tsotra:
- Raha mampiasa ordinatera/laptop ianao any am-piasana, dia mba ny batterie no hampandehano azy in-droa isaky ny herinandro ohatra !
- Aza mandrehitra jiro any am-piasana na any an-trano raha tsy tena ilaina
- Voahay ny varavarakely raha azo atao fa aza mampiasa fitaovana mamokatra tso-drivotra
- Rehefa miborosy nify, aza avela hikoriana eo foana ny rano...
Fihetsika madinika ohatry izany, hiombonan'olona an-jatony tapitrisa maneran-tany : mba mety hampiova zavatra izany !
Olona sahabo Arivo tapitrisa no heverin'ny WWF handray anjara amin'io "Adiny Iray ho an'ny Tany" io amin'ny 27 mars io, manomboka amin'ny 8 ora sy sasany ka hatramin'ny 9 ora sy sasany alina.
Ho isan'ireo koa ianao, araka izay hitanao fa haha-mety azy !

No comments:

Post a Comment